Tsy manam-pahataperana ny fitiavana

1 Ny finoana an'Andriamanitra
 No antoka ahazoana ny tena fiainana
 Tsinontsinona anefa ny olombelona
 Rehefa tsy entanim-pitiavana.
 
Tsy manam-pahataperana ny fitiavana,
Ny finoana sy fanantenana dia avy aminy.
Tsy manam-pahataperana ny fitiavana,
Izy telo ireo no mitoetra,
Fa ny fitiavana (indroa)
No lehibe indrindra.
 
2 Ny fanantenan'olombelona
 Dia mba ho tody am'ilay nampanantenain'ny Ray.
 Tsinontsinona anefa ny fiainana
 Rehefa tsy entanim-pitiavana.
 
3 Ny fitiavana marina tokoa:
 Faharetana, mora fo, ary koa mahafoy ny tena.
 Tsinontsinona anefa ny asantsika
 Rehefa tsy entanim-pitiavana.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 800
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0635