Tantano aho, ry Tompo ô

1 Tantano aho, ry Tompo ô
 Hamaly ny antsonao mibitsika ahy
 Ato anatin'ny foko, ka mampientana ahy,
 Inona àry no tianao hataoko?

Koa inty aho, Tompo ô:
Iraho hitory ny Anaranao
Amin'ireo vahoaka notiavinao.
Mba hanala ny otanay
No nahatongavanao teto an-tany;
Mba arovy sy hamasino
Izahay, ô ry Tompo.
Mitenena ianao, ry Tompo ô:
Ampianaro ahy ny lalanao.
Inty izahay hanaraka Anao,
Hitondra ny hazo toy ny nataonao.

2 Mandehana eran-tany ianareo, hoy Ianao:
 Ataovy mpianatro ny olon-drehetra.
 Manome toky Anao fa hiasa tokoa,
 Mba hitondra izany hafatrao.

3 Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao:
 Ianao no herinay.
 Mahatsiaro sambatra izahay manana Anao,
 Andriamanitra Tompon'ny tany.

4 Feno hafaliana ny foko izao,
 Ka manolo-tena aminao;
 Ianao anie no fitiavana,
 Ianao no anjara lovako.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 797
Karine Dera p. 451
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.323