Raiso re

Andriananahary:
Tompon'ny tany aman-danitra Ianao.
Indro atolotray ireto fanatitra vokatry ny tany,
Vokatry ny hasasaran'ny olombelona,
Raiso re fa vokatry ny fonay.

1 Ianao no toloranay ny mofo,
 Ianao no atolotray azy,
 Koa hamasino ny asanay
 Fa entinay hanompoana Anao.

2 Ianao no toloranay ny divay,
 Ianao no atolotray azy,
 Koa mba raiso ny asanay
 Izay mba kely vitanay.

3 Ianao no toloranay ny fiainanay,
 Ianao no atolotray azy,
 Koa tsimbino izahay
 Manolo-tena ho Anao.

 
Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 789
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099