Ny vola sy ny harena

Ny vola sy ny harena:
Hanompoana Anao,
Ry Ilay Mpahary tia anay;
Ambino ny asanay,
Omeo ny sahaza:
Hoentinay manompo Anao!
 
1 Fa hatrany am-piandohana
 Ny taranak'olombelona:
 Nasainao handavorary
 Ny zavatra rehetra
 Izay nataonao,
 Ka indro hanompoanay Anao!
 
2 Tsy mahavita tena
 Isika olombelona,
 Fa mila ny indrafon'ny Ray;
 Tsy maintsy mifanampy
 Ary miara-miasa,
 Hiezaka hanao ny tsara!
 
3 'Zay nomenao anay:
 Tsimbino lalandava,
 Ho entinay manasoa
 Ireo namanay
 Sy ny Fiangonanao;
 Isaoranay Anao!

 
Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 788
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092