Ny asanao, ry Tompo be fitia

1 Ny asanao, ry Tompo be fitia,
 Izay nataonao hivelomanay;
 Tsy manavaka ny olon-dratsy ny Tompo,
 Dia samy mandray ny masoandrony.
 
Omena fisaorana e, Ianao ry Tompo,
Manome ny masoandro 'zay iainanay.
Hafaliana anatin'ny haravoana
No iainan'ny voaary tontolo;
Mihira hoe: aleloia!
 
2 Ny asanao, ry Tompo be fitia,
 Iveloman'ny mpanomponao;
 Samy mahazo ny tsara avokoa,
 Na ny mino na ny tsy mino azy.
 
3 Ny asanao, ry Tompo be fitia,
 No nahatonga ny finoana;
 Manambara ny fitiavanao e
 Ny asa rehetra nataonao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 787
Karine Dera p. 522
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092