Nandray ny Fanahy maha zanaka

Nandray ny Fanahy maha zanaka,
Miombona amin'ireo mpianatra,
Ka miantso am-pitokiana
Sy midera an-kafaliana
An'ilay Rain'i Jesoa Tompontsika,
An'ilay Rain'i Jesoa, iombonantsika aminy.
 
          Ry Rainay any an-danitra ô ô ô,
          Hohamasinina anie ny anaranao,
          Ho tonga anie ny fanjakanao,
          Ho tanteraka anie ny sitraponao,
          Ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
 
          Omeo anay ô ô ô
          Ny hanina ho anay isan'andro,
          Avelao ny fahotanay:
          Tahaka ny amelanay
          Izay nanao ratsy taminay.
Aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay,
Fa manafaha anay amin'ny ratsy.
 
          Anao ny fanjakana,
          Anao koa ny hery,
          Anao ny voninahitra.

 
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 784
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164