Mba raiso, ry Tompo

Tsy misy raha hafa atolotra Anao,
Fa ny harin-tananao ihany;
Mba raiso, ry Tompo รด, ny tolotray
Na dia tsy sahaza anao aza.
 
1 Ny asanay, fisasaranay
 No indro entina aminao;
 Ny fiainanay, fiezahanay,
 Raiso re raha sitrakao.
 
2 Ny ahiahy, tebitebinay,
 No indro entina aminao;
 Ny hafaliana sy hakiviana,
 Raiso re raha sitrakao.
 
3 Ny herinao sy halemenay,
 No indro entina aminao;
 Koa ambino hatrany izahay
 Ombao ny fahasoavanao.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 780
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0283