Misaotra Anao izahay, ry Ray

1 Misaotra Anao izahay, ry Ray,
 Lehibe tokoa ny fitiavanao;
 Ny fonay zanakao dia ravoravo,
 Indray miredona mihira hoe:

Mankasitraka, midera Anao,
Misaotra Anao Andriamanitra;
Lehibe ny hatsaram-ponao.
Misaotra Anao ny voaary tontolo,
Feno ny fahasoavanao.


2 Misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
 Fa Ianao no namonjy anay;
 Ny fonay zandrinao dia ravoravo,
 Indray miredona mihira hoe:

3 Misaotra Anao, Fanahy Mpankahery,
 Fenoinao ny fahasoavanao;
 Ny fonay mino Anao dia ravoravo,
 Indray miredona mihira hoe:
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 778
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2814