Masindahy Piera sy Paoly

1 Masindahy Piera
 Lehilahy nofidin'ny Tompo,
     (Ho andrin'ny)
 Ho andrin'ny Fiangonana,              )
 Filoha mpitari-dalana;                  )
 Izy no andry nampijoro,                ) (indroa)
 Niankinan'ny Fiangonan'ny Tompo. )
     (Te hanara-dia)
 Te hanara-dia an'i Jesoa izahay ankehitriny,
 Hanitatra ny Fanjakany e,
 Toy ny nataonao sy ny Apôstôly.

2 Masindahy Paoly,
 Lehilahy maherifon'ny Tompo,
      (Nitety ny Fiangonana)
 Nitety ny Fiangonana,               )
 Nandrisika ny mpino;                 )
 Nitety ny Fiangonan'ny Tompo,  ) (indroa)
 Sy nandrisika ny mpino rehetra. )
     (Mba te hitovy)
 Mba te hitovy amin'i Jesoa tahaka anao izahay e,
 Hanitatra ny Fanjakany e,
 Toy ny nataonao sy ny Apôstôly.

Masindahy Piera, Masindahy Paoly,
Arovy izahay, omeo zotom-po:
Hanitatra ny fanjakan'ny Ray.




 


Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 777
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009