Maria Renin'ny Mpamonjy

Maria Reny, Renin'ny Mpamonjy,
Natolotry ny Tompo ho renin'i Joany;
Maria Reny, Renin'ny Mpamonjy,
Natolotry ny Tompo ho reninay koa.
 
1 Akaikin'i Jesoa ny fonao Maria, (ny fonao, Maria ô)
 Mba te hanakaiky azy koa ny fonay;
 Tariho lalandava fa matoky anao, Maria ô, Maria ô.
 
2 Raha sendra ny sarotra ireo zanakao, (ny zanakao, Maria ô)
 Aza avela hiady irery ndrao resy;
 Ampio lalandava fa matoky anao Maria ô, Maria ô.
 
3 Ireo havavany mijaly mba vonjeo, (vonjeo re, Maria ô)
 Aza avela ho kivy, henoy ny fitarainana;
 Tohano lalandava fa matoky anao, Maria ô, Maria ô.

 
Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 776
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092