Avia manatòna, rankizy havako izany (ND de la Salette )

1- Avia manatòna, rankizy havako izany
avia mihainoa ny Reninao mitomany
avia manatòna, avia ka aza matahotra
F'izaho ilay Reny Andriambavin'ny Lanitra
izaho no mijoro eo anilan'ilay Zanako
izay nanolotra ny tenany hanavotra ny vahoakako
ny heloka no mitondra fahafatesana ho an'ny olona
Mibebaha, mivavaha hahazo ai-miavosa


Indreto izahay rehetra, ô ry Reny Mpampihavana
fa vonona avokoa izahay e, ka aza atosi-bohon-tanana
'reo hafatrafatrao ô ry reny no mitondra anay hiakatra
hibebaka, hivavaka ary handray andraikitra


2- Avia ka tolory voninahitra izy Ray
asandrato ilay sorona hampihavana Aminy indray
tsisy fetra ny indrafony, Izy no mpamela hadisoana
ka havaozy ny Batemy nandraisanao ny finoana
tsy ny vola na ny harena no havadikao ho Andriamanitra
tsy nofo, ny filàny no hasandratrao hoe lanitra
raha ny tany no mihasimba dia noho ny fitiavantena
raha tsy miova ny olombelona dia hiafara any an-tevana

3- Raha mandeha mitomany mamafy an-dranomaso
raha miverina dia hijinja ka hifaly sy hiravoravo
tsy mba ozona fa tso-drano ny teniko sy ilay hafatro
na 'reo tany rako-bato, na 'reo efitra aza hamokatra
araho asa ny finoana, velomy fanantenana
ilazao ny vahoaka isan-toko isan-tanàna
tariho izy hihavao, ka hanao ny ain-tsy ho zavatra
hiandrandra taon-jina, angataho amin'Andriamanitra

Nampiditra nante75
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0805