Kyrie eleison

1 Tsy nahay namaly ny fitiavanao izahay, ry Ray,
 Fa nosoloinay fitiavan-tena ny didinao.
 Kyrie eleison! (inefatra)
 Tompo ô, mamindrà fo aminay.
 
2 Tsy nijoro ho zandrinao lalandava izahay, ry Jesoa,
 Fa menatra ireo mpitazana anay isan'andro.
 Kriste eleison! (inefatra)
 Kristy ô, mamindrà fo aminay.
 
3 Tsy nahay nihaino ny bitsikao izahay, ry Fanahy,
 Fa babon'ireo fanangolen'ilay ratsy.
 Kyrie eleison! (inefatra)
 Tompo ô, mamindrà fo aminay.

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 773
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1529