Kristianina tia fihavanana

1 Mifankatiava, hoy ny Tompo,
 Ka ho vavolombelony;
 Fifankatiavana ihany
 No mampijoro ny Fiangonana. (indroa)
 
Kristianina tia fihavanana:
Taratry ny Fiangonana,
Fiangonana mijoro;
Ndeha hifanome tanana,
Hifanampy, hifanohana,
Ary koa hifanasoa.
 
2 Mahaiza koa mifandefitra,
 Mitafia halemem-panahy;
 Dia ho faly hiara-monina,
 Ny Kristianina iray Fiangonana. (indroa)
 
3 Aoka isika hifampitsimbina;
 Mitafia fahatsorana:
 Hampitombo fihavanana,
 Hampandroso ny Fiangonana. (indroa)

 
Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 772
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088