Ekeko tsotra izao

Tompo ô, ekeko tsotra izao
Ity antsonao miangavy mitalaho;
Fa ny fotaky ny fahotako
No italahoanao mba hialako.
Tompo ô, ekeko tsotra izao!
 
Fa tsy fantatro akory
Fa hay ny fiainako rehetra
Efa ho very;
O ry Tompo ô!
Tsy nafoinao hihosom-bovo-pahotana,
Hihanahana,
Izato tenako misalasala;
Tsy foinao ho latsaka an-davaka,
Ka hitomany,
Fa nekenao mba ho tiana,
Ka narovanao hatrany hatrany.
Feno hafaliana 'ty foko fa manana Anao
Be fitia, tsy mahafoy, ka manoro
Raha toa tsy mahay.
Ka raha tsy noho izay fitiavanao ahy izay, angamba,
Dia efa very aho, efa very aho;
Efa very aho tahak'izay!
 
Tompo ô, ekeko tsotra izao
Ity antsonao miangavy mitalaho;
Fa ny fotaky ny fahotako
No italahoanao mba hialako.
Tompo ô, ekeko tsotra izao!

 
Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 763
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093