Ambarako eto anio

Ambarako eto anio
Ny finoako anao, Andriamanitra ô;
Tsy misalasala aho
Miventy ny Anaranao.

1 Zaho mino mafy an'Andriamanitra Ray e,
 Nahary ny tany aman-danitra,
 Nahary tongotra aman-tanana e!
 Mino aho, Tompo,
 Ianao no Mpahary anay olombelona.

2 Zaho mino mafy an'i Jesoa Mpamonjy antsika e,
 Naterak'i Maria Virjiny,
 Nijaly sy maty ho antsika e!
 Mino aho, Tompo,
 Ianao no mpanavotra anay olombelona.

3 Zaho mino mafy ny Fanahy Masina e,
 Ilay loharanom-pitiavana,
 Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka e!
 Mino aho, Tompo,
 Ianao Mpankahery anay olombelona.

4 Zaho mino mafy ny Eglizy Masina e,
 Ny Batemy tokana,
 N'fiainan-ko avy any an-koatra e!
 Mino aho, Tompo ô,
 Ampitomboy hatrany ny finoako.


 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 754
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009