'Zahay misaotra anao, Maria

1 'Zahay misaotra
 Anao, Maria,
 Tompo eken'ny
 Anjely masina
 An-danitra any.
 
2 'Zahay misaotra
 Anao, Maria,
 Renin'i Jesoa
 Mpamonjy masina
 Anay rehetra.
 
'Zahay mifona
Aminao, Reny,
Ny hatakay ekeo.
 
3 Ry tomponay,
 Ny tananao
 Mamafifafy
 Ny hazavana
 An-taninay.
 
4 Sambatra endrey!
 Ny Reninay.
 Izy mihoatra
 Ny Olomasina
 An-danitra any.
 
5 Mamin'ny fo
 Ny Reninay.
 Izy manely
 Ny zava-masina
 An-taninay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 749
Vavaka sy Hira p. 577
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093