Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any an-danitra any

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra
Any an-danitra any,
Fiadanana anie ho an'ny olombelona
Etý ambony tany.
 
1 Fa lehibe ny fitiavana nasehonao, ry Ray ô,
 Fa Zanaka lahitokana no natolotrao e
 Mba hamonjy anay.
 Midera anao, midera anao
 Sy misaotra anao 'zahay. (indroa)
 
2 I Jesoa fahazavana anie nasehonao, ry Ray ô,
 Ilay mpandresy ny haizina, no natolotrao e
 Mba hamonjy anay.
 Midera anao, midera anao
 Sy misaotra anao, 'zahay. (indroa)
 
3 I Jesoa hany mpanavotra...
 Ilay mpandrava ny heloka...
 
4 I Jesoa hany fiainana...
 Mpandresy fahafatesana...
 
5 Ny varavaran'ny lanitra...
 I Jeso Tompo Andriamanitra...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 748
Fihirana Vaovao p. 29
Vavaka sy Hira p. 719
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203