Hiombona amin'ny fahamasinana

1 Niainako hatrizay, hirosoako lalina kokoa,
Ny fanarahan-dia an'i Jesoa
Fa fanirianay ihany koa ny ho lavitry ny ota
Sy ny rendrarendra eto an-tany.

Hiombona amin'ny fahamasinana e!
Ndao hiaraka aminay e!
FET no mitambatra ao e
Hiombona ho amin'ny fahamasinana
Na ho mafy na ho sarotra e e!
Italahoanay amin'Izy Ray e e
Tsy hisaraka 'zahay (2)
Fa hiombona amin'ny fahamasinana.

2. I Kristy lalana sy fahamarinana
Ary fiainana no filamatray:
I Md Paoly no ohatra ianaranay,
I Masina Maria no Reninay.

3. Miha-Jesoa isan'andro isika ka ho iray
Hiombona ho amin'ny fahamasinana e e!
Ka hirotsaka amintsika anie no tsodranon'ny Ray,
Ka samy haharitra hatramin'ny farany.

Nampiditra Belle
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 818
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0564