Vavolombelon'i Kristy mijoroa, aza matahotra

1 Vavolombelon'i Kristy:
 Mijoroa, aza matahotra;
 Na sarotra aza ny làlana:
 Ao i Kristy filohantsika,
 Izy no hitantana ny dia.
 
Kristy ô, ampio 'zahay
Fa tanora malemy sy osa (indroa)
 
2 Mideza izany lalana
 Tsy maintsy diavintsika
 Ao amin'ny fahatanorana.
 Ao i Kristy filohantsika,
 Izy no hitantana ny dia.
 
3 Maro ny fandrika mety ho hita
 Eny an-dalan-kizorana;
 Mety ho potraka ihany; anefa
 Ao i Kristy filohantsika,
 Izy no hitantana ny dia.
 
4 Ny baiko hotanana hatrany hatrany;
 I Kristy zoky no antsoina
 Na inon-kidona na inon-kihatra.
 Ao i Kristy filohantsika,
 Izy no hitantana ny dia.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Tanora
Fihirana Hasina p. 743
Vavaka sy Hira p. 639
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091