'Ty tany ity fandalovam-bahiny

'Ty tany ity fandalovam-bahiny
Fa tsy tanàna natao fonenantsika
'Zao foko 'zao tsy mba aoriko eto
Fa ny tanànan'i Jesoa no andraina.
 
1 Tsy mamiko ny vola sy ny hanina,
 Tsy mamiko ny filalaovam-be;
 Ny tiako ny zavatra any an-danitra,
 Ny zavatra any no ankafiziko.
 
2 'Zaho mandao ny tabataba lava
 Hidirako an-trano mangingina,
 Handraisako ny sain'i Zanahary,
 Hinoako ny anatr'i Jesoa.
 
3 Mba tiako halain'i Jesoa aho
 Hoentiny an-danitra aminy
 Hanaram-po sy handray ny harena
 Zarazarain'ny tanan'i Maria.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 741
Fihirana Vaovao p. 285
Vavaka sy Hira p. 555
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144