Tsy natahotra vavan'olona

1 Tsy natahotra vavan'olona ianao,
 Fa lehilahy tsy marina fanta-bahoaka,
 Niraisanao vatsy, hiraisana aina.
 Fa angaha moa ianao koa mpanararaotra?
 Dia indro izy taitra ka tonga saina,
 Nandao ny asa ratsiny: velona aina,
 Nanaraka anao Tompo sy harena.

2 Tsy natahotra vavan'olona ianao,
 Fa vehivavy ratsy ifanondroan-molotra
 Nekenao tomany tan-tongotrao.
 Fa angaha moa ianao hifindran'ireo tsiny?
 Dia indro izy taitra ka tonga saina,
 Nandao ny fianan-dratsiny: velona aina,
 Fa tojo anao Tompon'ny famonjena.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 516
Fihirana Hasina p. 741
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219