Tsy fireneny akory isika teo aloha

Tsy fireneny akory isika teo aloha,
Izao kosa vahoaka mamin'Andriamanitra;
Tsy namindrany fo akory isika teo aloha,
Nefa izao nahazo famelana.
(1 Piera 2, 10)

(Sal. 134)
 
1 Ka derao e ny anaran'ny Tompontsika!
 Ry Mpanompon'ny Tompo samia midera.
 Ianareo 'zay mitoetra ao an-tranony ao,
 Ao an-kianjan ny Tompo Andriamanitsika!
 
2 He! derao 'zany hasoan'ny Tompontsika!
 'Zany anarany mamy e, redony an'antsa!
 I Jakôba voafidin'ny Tompo ho azy;
 Ka nataony fananany i Israely.
 
3 Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,
 Ka mihoatra an'ireo andriamani-kafa.
 Fa izay sitrapony dia tontosainy,
 Any an-danitra ambony sy eto an-tany.
 
4 Ranomasina sy hantsam-be rehetra,
 Dia samy anehoany ny sitrapony.
 'Rony rahona akariny hitatao
 Ka ny ora-manelatra manjopiaka!
 
5 'Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala
 Avy amin'ny toerany nitobiany!
 Dia nasiany ny lahimatoa rehetra,
 Na ny biby na ny olona tao Ejipta.
 
6 Famantarana maro sy fahagagana
 No nalefany hamely an'i Faraôna;
 Dia nikapoka maro amy firenena,
 Nahafaty mpanjaka mahery vaika!
 
7 Ry Sihôna mpanjakan'i Emoria,
 Sy ry Oga mpanjakan'ny ao Basàna.
 Ka ny tanin'ireny nomeny ho lova,
 Ho lovan'ny vahoakan'i Israely!
 
8 Fa maharitra mandrakizay e, ry Tompo,
 Ny anara-masinao.
 Ny taranaka fara-mandimby rehetra
 Dia handre ny lazanao!
 
9 Fa omen'izy Tompo ny rariny hatrany,
 Ny vahoaka nofinidiny.
 Ary omeny fitiavana indray ihany koa
 Ny mpanompony rehetra.
 
10 Fa ny sampin'ireo firenena, jereo:
 Volamena, volafotsy!
 Moa tsy tefy nataon'olombelona ihany?
 Manam-bava tsy miteny!
 
11 Tsy mahita kanefa mba manana maso!
 Manan-tsofin-tsy mandreny!
 'Zay mba hoe fofon'aina ao am-bavany ao
 Nofinofy ihany izany!
 
12 Mba ho zary hanana endrika tahaka azy ireny,
 'Reo mpanao sy mpino azy!
 Ka isaory ny Tompo, ry Israely,
 Aoka hisaotra ry Arôna!
 
13 Ry mpanolotra sorona, isaory ny Tompo!
 Ny rehetra koa misaora!
 Ho azy Tompo mitoetra ao Jerosalema
 Ny fisaorana rehetra!
 
14 Hoderaina ny anaran'ny Ray Nahary
 Fa Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany
 Omen-dera ny Zanany lahimatoa
 Ary koa ny Fanahy 'zay mpanolo-tsaina.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 241
Fihirana Hasina p. 738
Vavaka sy Hira p. 369
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092