Tsarovinao, ry Tompo, ny famindram-ponao

(Sal. 24)

Tsarovinao, ry Tompo, ny famindram-ponao,
Ny hatsaram-ponao, mandrakizay ireny.
 
1 Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho,
 Aoka tsy hangaihay hifalian'ny fahavaloko.
 'Zay manantena anao tsy menatra, ry Tompo,
 'Zay mivadika aminao no hanenina aoriana.
 
2 Ka ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
 Ny sakeli-dalanao, mba ampianaro ahy.
 Ento aho isan'andro amin'ny fahamarinana:
 Ianao no antenaiko, ô ry Tompo famonjeko.
 
3 Ka ny famindram-ponao sy ny hatsaram-ponao,
 Mba tsarovy re, ry Tompo, fa mandrakizay ireny.
 Hadinoy ny fahotako tamin'ny hatanorako,
 Ny fitiavan'ny fonao ento hahatsiaro ahy.
 
4 Ianao anie, ry Tompo, tsara fo sy be fiantra:
 'Zany no iantsoanao ny mpanota mba hibebaka.
 Fa izay manetry tena ampianarin'Andriamanitra
 Hahalala sy hanaraka 'lay lalam-pamonjena.
 
5 Fitiavana avokoa, indrafo sy fanambinana:
 'Reny sitrapon'ny lanitra ho an'izay manaraka azy.
 Iza moa no be fitia sy matahotra ny Tompo,
 Fa hampiana hahafantatra 'zay lalana hahasambatra.
 
6 Ny fanahiny ho sambatra, ary handry am-piadanana,
 Ny taranany ho tretrika, ary hanana ny tany.
 'Zay matahotra ny Tompo no hataony toy ny havany,
 Hahalala isan'andro ny hasoan'ny fihavanany.
 
7 Hany ka izaho kosa miandrandra anao, ry Tompo:
 Aza avela handavo ahy 'reny fandriky ny tany.
 Mba todiho maso aho, iantrao, ry Andriamanitra ô,
 Malahelo manirery, olon-tokana mahantra.
 
8 Lehibe ny fahoriako, ary toa mitombo hatrany,
 Oriory ny fanahiko, mba vonjeo aho, Tompo.
 Fa ny tena ijaliako dia ny hadisoako maro.
 Avelao ny fahotako, fa miaiky heloka aho.
 
9 Fahavalo alinkisa no indreo manatona ahy,
 Mba jereo ange, ry Tompo, ny fankahalany ahy.
 Aoka tsy ho menatra aho, fa ianao no itokiako,
 Ny fanahiko arovy, ka vonjeo re ny aiko.
 
10 Fo madio tsy manan-tsiny aoka anie hiaro ahy.
 Nefa ianao, ry Tompo, no fialofana antenaiko.
 Andriamanitra ô, afaho i Israely manontolo.
 Fa vahoakanao mijaly ato anaty fahoriana.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Salamo
Fihirana Hasina p. 736
Fihirana Vaovao p. 85
Vavaka sy Hira p. 262
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218