Tsarovinao, Reny tsara

1 Tsarovinao, Reny tsara,
 Fa izahay zanakao
 Vesaran'ota ka mijaly:
 Mba mivavaha ho anay!

2 Ny vatanay tsy salama,
 Ny sainay mety diso,
 Ny herinay mora lany:
 Mba mivavaha ho anay!


3 Indraindray ny demony
 Maka fanahy manadala,
 Nefa izahay tsy ho kivy:
 Mba mivavaha ho anay!

4 Ny vavakao vonjinay,
 Ny tananao andrinay,
 Ny Zanakao, zokinay:
 Mba mivavaha ho anay!

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 736
Vavaka sy Hira p. 583
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.118