Tsara loatra endrey ny anjarantsika

1 Tsara loatra endrey ny anjarantsika,
 Efa navotan'ny batemy isika,
 Efa nandà an'i Satana:
 'Zao lalana alehantsika izao
 No lalana ety, be sakana, be ady.
 
Aleo mandroso,
Aleo mandroso
Toy izay miverin-ko may. (indroa)
 
2 Lalana mahatoky tokoa izany,
 Tsy miovaova fa lalam-bato,
 Sady hatrizay ela izay:
 I Piera mbola mitarika antsika,
 Izy no manana ny lakilen'ny lanitra.
 
3 Raha reraka na azon'ny tahotra
 Na enjehin'ny demony isika,
 Aza misy mamoy fo:
 Ny nofo masina, ny ran'i Jesoa
 No herin'ny malemy sy fiainana.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 735
Fihirana Vaovao p. 408
Vavaka sy Hira p. 505
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166