Toy ny ampakarina ny Fiangonana

Toy ny ampakarina ny Fiangonana
Miantso an'i Kristy ilay Mpampakatra. (Apok. 21, 2; 22, 17)

(Sal. 44A)

1 Ny foko mandevy amin'ny teny soa,
 Ny vetsoko atolotro ny mpanjaka,
 Ny lelako penina tena kanto.
 
2 Ry tsara tarehy samy zanak'olona,
 Fa mahafatifaty ny molotrao,
 Ka dia notahin'ny Tompo ianao.
 
3 Hetraro ny sabatra, ry mahery,
 Sikino ny laza sy fiamboniana,
 Hiaro ny marina sy ny ory.
 
4 Tsy laitra hotohaina ny sandrinao,
 Maranitra erý ny tsipìkanao:
 Ho ringana ireo fahavalonao.
 
5 Haharitra ny fiketrahanao,
 Manjaka amin'ny hitsiny manko ianao,
 Ny rariny hatrany no sitrakao.
 
6 Ny Tompo Andriamanitra Tomponao
 Manosotra anao ilom-pifaliana:
 Ianao fa tsy ny hafa izay namanao.
 
7 He, manitra mira ny akanjonao,
 Valiha torifolo ankafizinao
 Miritsoka mora ao an-dapanao.
 
8 Anisan'ireo izay malalanao
 Ny zanakavavin'andriamanjaka
 Mirenty firavaka avy aminao.
 
9 Ary indro mijoro ankavananao
 Miravaka erý ny mpanjakavavy
 Haingoim-bolamena avy tany Ofira.
 
10 Hobio Andriamanitra tia antsika,
 Ny Zanany Tompo mpanjakantsika,
 Fanahiny tonga fanahintsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo - Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 104
Fihirana Hasina p. 734
Fihirana Vaovao p. 244
Vavaka sy Hira p. 281
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541