Tompo ô, ny feonao hatry ny ela

1 Tompo ô, ny feonao hatry ny ela,
 Tompo ô, miantso ahy ho anao mandrakizay:
 Tonga izao 'lay andro iray nantenaiko,
 Raiso aho ho anao, ry Jesoa ô.
 
Feno hafaliana aho, Tompo,
Ka manolo-tena aminao:
Ianao anie no fitiavako, )
Ianao no anjara lovako. ) (indroa)
 
2 Tompo ô, tsy afa-pon'ny harena,
 Tompo ô, izay fanahy sy ny fo manina anao:
 Ianao no hany soa mba iriko,
 Ianao, Tompo ô, mandrakizay.
 
3 Tompo ô, ilay fitia eto an-tany,
 Tompo ô, nilaozako: raiso aho ho sorona:
 Toy irý masoandro be lohataona,
 Tompo ô, 'zany foko onenanao.
 
4 Tompo ô, ny sitrapon'izy Ray,
 Tompo ô, fitiavam-be, sitrakao ka sitrako:
 Raiso aho akaikinao isan'andro
 Mba hamonjy an'izao tontolo izao.


 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 729
Fihirana Vaovao p. 138
Vavaka sy Hira p. 525
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009