Tompo ô, mamindrà fo aminay - Ianao 'lay tonga hampihavana anay amin'ny Rainao

1 Tompo ô, mamindrà fo aminay,
 Ianao 'lay tonga hampihavana anay amin'ny Rainao,
 Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay:
 Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
 Mamindrà fo aminay.
 
2 Kristy ô, mamindrà fo aminay,
 Ianao 'lay tonga hampianatra anay mba hifamela tokoa:
 Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay,
 Mamindrà fo aminay,
 
3 Tompo ô, mamindrà fo aminay,
 Ianao 'lay tonga nitory fihavanana tamin'ny olonao,
 Mihanta aminao, avelao ny hadisoanay rehetra:
 Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
 Mamindrà fo aminay.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 728
Fihirana Vaovao p. 356
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0284