Enga anie isika anio hihaino ny tenin'Andriamanitra

Enga anie isika anio hihaino ny tenin'Andriamanitra.

(Sal, 94)

1- Avia, andeha isika hihoby ny Tompo,
ilay vatolampy sy vonjy ho antsika
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra
hankalaza azy amin'ny antsa

2- Midira, ndao isika hiankohaka sy hitsaoka,
mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika;
fa izy no Andriamanitra Andriananahary,
isika kosa vahoaka feheziny, ondry fiandriny

3- Enga anie ianareo anio 
hihaino ny teniko:
aza manamafy fo toy ny tany an'efitra,
raha naka fanahy ahy ny razanareo

Nampiditra nante75
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 56
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103