Tao anaty rivo-doza

1 Tao anaty rivo-doza naharipaka ny hazo;
 Tao anaty feo mitrena nampihorohoro tany;
 Tao anay lelan'afo nahakila ny tanàna;
 Tsia, tsy tao ianao!

2 Am'ireny lahateny tsara rindra sy malaza;
 Am'ireny ady am-basy mahapotika ny osa;
 Amin'ireny rentirentim-boninahitr'olombelona;
 Tsia, tsy tao ianao!

3 Amy toerana mangina ivavahan'ny mahantra;
 Amin'ny andro mampilofika ny olo-mino anao;
 Amy faharetam-pon'izay miandry anao hatrany;
 Eny, Tompo, eo ianao!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 276
Fihirana Hasina p. 722
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093