Tany an-tendrombohitra ny Tompo

(Mt. 5, 1-12)

Tany an-tendrombohitra ny Tompo,
Raha nahita an'ireo vahoaka marobe,
Dia nampianatra azy ireo:
 
1 Sambatra anie ny mahantra am-panahy,
 Fa azy ireo re ny fanjakan'ny lanitra.
 Sambatra anie ny malemy fanahy,
 Fa izy ireo no handova ny tany a.
 Sambatra, eny, sambatra izay mihaino ny teniko.
 
2 Sambatra anie 'reo 'zay mitomany,
 Fa izy ireo dia halàna alahelo a.
 'Zay noana sy mangetaheta ny rariny a,
 Sambatra re fa ho voky izy ireo a.
 Sambatra, eny, sambatra izay mihaino ny teniko.
 
3 Sambatra anie 'zay rehetra mamindra fo,
 Fa hamindrana fo izy ireo a.
 Sambatra anie 'zay rehetra madio fo,
 Fa izy ireo dia hahita an'Andriamanitra.
 Sambatra, eny, sambatra izay mihaino ny teniko.
 
4 Sambatra anie 'reo 'zay tia fihavanana,
 Fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra.
 'Reo 'zay miaritra ny fanenjehana,
 Fa azy ireo re ny fanjakan'ny lanitra.
 Sambatra, eny, sambatra izay mihaino ny teniko.
 
5 Tevatevainy sy enjehina ve ianareo,
 Sa ampangaina lainga noho ny amiko a:
 E, mifalia sy miravoravoa, fa lehibe re ny valisoanareo a.
 Sambatra, eny, sambatra izay mihaino ny teniko.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 721
Fihirana Vaovao p. 275
Vavaka sy Hira p. 421
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095