Ry Fanahy ô, Ianao no nitantana an'i Jesoa Kristy

Ry Fanahy ô, ry Fanahy ô,
Ianao no nitantana an'i Jesoa Kristy!
Ianao no manilo ny Fiangonana eran-tany!
Ianao no mitondra anay zanak'Andriamanitra!
Ry Fanahy ô!
 
1 Fa nahoana, ry Jesoa, no olon-tsotra toy izao
 No nofinidinao ho namana akaiky anao indrindra?
 
 Tao amin'ny Fanahy no nifidianako azy ireo
 Notendreko ho Apôstôly sady ho vavolombeloko
 Eo imason'ny tontolo manerana ny tany.

 
2 Fa nahoana ianareo, ô ry mpianatr'i Jesoa,
 No milefa an-tany lavitra, mandositra mpanenjika?
 Ry mpianatr'i Jesoa.
 
 Ny Fanahy no nanao ny fanenjehana ho fitaovana
 Mba hiparitahanay amin'ny vazantany efatra,
 Hampiely ny finoana an'i Kristy ilay velona.

 
3 Fa nahoana ianao, Filipo, no niezaka hanatratra
 An'ity Etiôpianina tanatin'ny kalesiny?
 Fa nahoana, ry Filipo?
 
 Ny Fanahy no naniraka ahy hihaino izay vakiny,
 Ary nanazava taminy izay momba an'i Jesoa;
 Ka dia nino mafy izy sy naniry hatao batemy.

 
4 Fa nahoana ianao, ry Piera, no nanjohy avy hatrany
 Ireto iraky ny manamboninahitra rômanina?
 
 Ny Fanahy no niteny ny hanarahako azy ireo
 Hitoriako an'i Jesoa Ilay Mpitsara lehibe:
 Ka ireo nihaino ahy dia nahazo ny Fanahy.

 
5 Fa nahoana ianao, ry Paoly, ary ianao, ry Barnabe
 No dia nidodododo sy maika ho any an-tany lavitra any?
 Fa nahoana ianareo?
 
 Ny Fanahy no nanokana ary koa nanendry anay.
 Tao anaty fanompoam-pivavahan'ny Fiangonana,
 Hanambara ny Vaovao Mahafalin'i Jesoa.

 
6 Fa nahoana no haato izato dianao, ry Paoly
 Tsy hitory ny Evanjely amin'ny tany nokasaina?
 Fa nahoana ho'aho, ry Paoly?
 
 Ny Fanahin'i Jesoa no mifidy izay haleha,
 Ary vonona aho izao 'ndeha hiampita ranomasina
 Fa ny faritr'i Eorôpa no anirahan'Andriamanitra.

 
7 Ry Fiangonana ô, mankaiza izato lalanao izao
 Fa ny lalan-tsy mahazatra tsy azo antoka mazàna?
 Ry Fiangonana ô, mankaiza?
 
 Ny Fanahy no itokiako ny amin'ny fomba hanatrehako
 Ny fiainan'ny vahoaka manontolo ankehitriny,
 Fa ny olona ankehitriny no tsy maintsy hovonjena.

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 719
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095