Sambatra loatra ny fo tia anao

1 Sambatra loatra ny fo tia anao,
 Jesoa hôstia 'zay vao nohaniko;
 Fahasoavana mitosaka be
 Mitsororoka ao anatin'ny foko.
 
Ry hôstia masina ô (Ry hôstia masina ô),
Jesoa vao noraisiko (Jesoa vao noraisiko);
Sambatra aho Tompo fa notsidihinao
(Sambatra aho, sambatra aho).
Sambatra aho, mijanòna,
Mijanòna ato am-poko, ry Jesoako.
 
2 Misaotra anao e, ry Jesoa hôstia,
 Mamangy ahy mpanota tsy mendrika,
 Misaotra, ry Jesoa, fa mamiko izany;
 Tsy hitako izay havaliko anao.
 
3 Inona re, Jesoa, no atolotro anao?
 Ny fikasako tsy hisaraka aminao.
 Tahio aho tsy hivadika indray.
 Ny sitra-poko tohano, Tompo ô.
 

 
Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 715
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0416