Sambatra loatra ny olo-mahantra

Sambatra loatra ny olo-mahantra am-panahy,
Tsy mba manompo ny vola sy zava mandalo:
Ny fanjakan'ny lanitra e azy ireny. (Mt. 5, 13)

(Sal. 145, 7-10)

1 Tompo mankafy mandrakariva
 Ny fahamarinana ianao
 Sy manome rariny ny ampahoriana,
 Mamahana ny noana, manafaka ny mpifatotra.
 
2 Tompo mampahiratra ny jamba,
 Mampitraka ny miondrika,
 Mpiaro ny vahiny, mpanohana
 Ny kamboty sy ny mpitondratena.
 
3 Tompo tia ny olo-marina,
 Fa mampiviona kosa ny olon-dratsy...
 Tompo manjaka mandrakizay
 Ilay Andriamanitra, ry Siôna ô.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo - Samihafa
Fihirana Hasina p. 714
Fihirana Vaovao p. 55
Vavaka sy Hira p. 379
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093