Ry zatovo katôlika, tohan-kaja

Ry zatovo katôlika,
Tohan-kajan'ny Fon'i Jesoa,
Ny Tompo miantso anareo
Hanasoa ny Malagasy.
 
Mitsangàna! Mandrosoa! (intelo)
Ka mahereza tsara;
Fa mahatoky ilay Mpitarika,
Dia i Jesoa Tompo.
 
1 Ry tohan-kajan'ny Fon'i Jesoa,
 Kajio tsara am-po
 Ny fitiavam-bavaka soa,
 Sy ny finoana mahavonjy.
 Koa na inona mihatra,
 Ny Tompo tsitoha iankino mafy. (indroa)
 
2 Ry tohan-kajan'ny Fon'i Jesoa,
 Ny fianarana lozohy,
 Mba hihabe ny fahalalana,
 Hanazava tsara ny finoanao,
 Hampianatra sy hamonjy
 Izay teraky ny tany Malagasy. (indroa)
 
3 Ry tohan-kajan'ny Fon'i Jesoa,
 Ny asa tsy maintsy aroso,
 Ka misikìna, fa lehilahy;
 Iadio fo ny famonjena,
 Ka aza ketraka, ry zatovo,
 Ny fanahy Malagasy mba vonjeo. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 711
Vavaka sy Hira p. 635
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5316