Ry zatovo katôlika, misikìna

Ry zatovo katôlika,
Misikìna isika,
Ka miraisa hina
Hanasoa ny Malagasy
Hanjakan'i Jesoa
Eto Madagasikara.

1 Na inon-kidona
 Na inon-kihatra:
 Aoka haderaderantsika
 Ny finoana katôlika.
 Na aiza na aiza aleha,
 Tano ho rehareha
 Ny anarantsika
 Zatovo katôlika.

2 Jesoa Tomponay
 No Filohanay,
 Izy no mibaiko anay,
 Izy no toavinay.
 Ny Eglizinay,
 Reny tsy foinay,
 Azy ny fonay
 Azy ny ainay.

3 Jesoa Tomponay
 Sy Mpanjakanay,
 Ho Anao mandrakizay
 Ny vahoaka Malagasy;
 Ary ianao kosa
 No antenainay
 Eto ambony tany
 Any an-danitra any.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Tanora
Fihirana Hasina p. 709
Vavaka sy Hira p. 636
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093