Ry vahoakan'i Israely nanantena

1 Ry vahoakan'i Israely nanantena ny Mesia,
 Indro i Jesoa zazakely ho anao ka mifalia.

Mamirata, Jerosalema ô,
Kintana soa nomen'ny Ray:
Teraka any Betlehema
I Kristy Mpamonjy anay.
 
2 Ny Anjely mankalaza, toa misolo antsika re:
 Ndeha hitsaoka an'ilay Zaza feno hasoavam-be.
 
3 Ny mpiandry ondry ihany no mandray an'i Kristy,
 Izahay na lavitra any, mba jereo fa tonga atý.
 
4 Sambasambanay Jesoa ô, 'reo mpanjaka lehibe,
 Ny fonay ampio herezo, te ho lapanao anie.

 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 707
Fihirana Vaovao p. 24
Vavaka sy Hira p. 668
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093