Ry Tompo ô, indreto izahay vavolombelon'i Kristy

1 Ry Tompo ô, indreto izahay
 Vavolombelon'i Kristy
 Vonon-kijoro ho tena fanasina
 Hizara amin'ireo namanay.
 
Kristy ô, matoky anao;
Kristy ô, ianao tokoa
No herinay sy fiainanay.
 
2 Ry Tompo ô, herezo izahay
 Vavolombelon'i Kristy
 Mba tsy ho kivy na sendra ny mafy
 Fa hijoro hanaraka anao hatrany.
 
3 Ry Tompo ô, matoky izahay
 Vavolombelon'i Kristy.
 Eo ianao ka tsy misy atahorana.
 Ianao tokoa no manampy anay isan'andro.
 
4 Ry Tompo ô, henoy izahay
 Vavolombelon'i Kristy
 Miantso anao hanoro ny làlana
 Izay hizoranay mankany aminao.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 707
Vavaka sy Hira p. 638
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257