Avia, ry Jesoa, avia

1- Avia, ry Jesoa, avia,
    hitantana ity mpivahiny,
    fa iny manjombona iny
    ny lalan-kizoran'ny dia
    Avia, ry Jesoa, avia

2- Avia, ry Jesoa, avia,
    marisika anie ny fanahy,
    fa indrisy ny mandreraka ahy,
    ny nofoko be siasia
    Avia, ry Jesoa, avia

3- Avia, ry Jesoa, avia,
    ny rafiko mantsy mahery,
    ny tenako osa sy irery,
    ny fiainana rano maria
    Avia, ry Jesoa, avia

4- Avia, ry Jesoa, avia,
    ity zandrikely, raha lavo,
    areno hikendry ny avo,
    asaovy hampian'i Maria
    Avia, ry Jesoa, avia

5- Avia, ry Jesoa, avia,
    fa efa tsy andriko intsony
    ilay paradisa ao ambony,
    hifankahitana ho doria
    Avia, ry Jesoa, avia

Nampiditra nante75
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 83
Fihirana Hasina p. 418
Fihirana Vaovao p. 368
Vavaka sy Hira p. 740
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091