Ry Tompo ô, tahionao 'zahay

Ry Tompo ô, tahionao 'zahay
Sy i Madagasikara tanindrazanay.
 
1 Ny vavakay mba raiso re raha sitrakao
 Ho an'ny firenenay Malagasinao.
 
2 Ireo mpitondra anay sy izay rehetra mpanasoa
 Tahio lalandava tsy ho rera-po.
 
3 Ny fanirianay 'zao, ry Tompo Andriamanitray,
 Mba anjakao ny Nosinay mandrakizay.
 
4 Ny havanay rehetra mba tahio sy arovy re
 Hiadana sy ho faly eo aminao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Firenena
Fihirana Dera p. 152
Fihirana Hasina p. 705
Fihirana Vaovao p. 426
Vavaka sy Hira p. 654
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038