Ry tanora tia fivondronana

Ry tanora tia fivondronana, tongava    )
Mba hiara-miasa sy hanasoa                 ) (indroa)
Ny Tanindrazana 'zay miandry anao e. )
 
1 Tanora tomady
 Sy mafy sitra-po
 Vonon-kandroso
 Na inon-kidona:
 Izany no tena
 Tanoran'ny Nosy.
 
2 Tanora mijoro
 Tsy miamboho adidy.
 Ny marina ihany
 No ataony tarigetra:
 Izany no tena
 Tanoran'ny Nosy.
 
3 Tanora mahay
 Sy tia fandrosoana
 Tia fihavanana
 Sy firaisankina:
 Izany no tena
 Tanoran'ny Nosy.
 
4 Tanora miasa
 Ka mandray adidy;
 Ny Fiangonana
 Fiaraha-monina:
 Izany no tena
 Tanoran'ny Nosy.
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 705
Vavaka sy Hira p. 641
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089