Ry Reny madio, antsoinay izao

1 Ry Reny madio,
 Antsoinay izao:
 Tsarovy anio
 'Reny teninao.
 
Maria be fitia,
Reny maminay,
Arovy ny dia
Sy ny tenanay.

 
2 'Zay manandra-peo
 Dia ho very ve
 Henoy ka jereo
 'Reo miantso hoe:
 
3 Be ny very dia
 Tsy mahita anao;
 Vonjeo 'reo mania
 Mba ho tia anao.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 140
Fihirana Hasina p. 704
Vavaka sy Hira p. 585
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087