Ry olon-kanao fanekena

1 Ry olon-kanao fanekena masina,
 Misaora ny Tompo, fa ny sitrapony
 No mampikambana amim-pitiavana;
 Ka dia tsy olon-kisaraka intsony,
 Ny tany Edena tsahivina indray.
 
2 Ny fahamarinan'Andriamanitra
 No haingo manendrika ny tokantrano
 Ho toy ny lanitra mamirapiratra;
 Ry mpivady marina, Kristy no tano
 Handamina ny tokantrano vaovao.
 
3 Ny fahasoavan'Andriamanitra
 No andry manohana ny tokantrano,
 Ka mampisandratra ny te ho sambatra;
 Izay ankohonanareo atsangano
 Hidera ny famindram-po lehibe.
 
4 Ny fanaky ny tokantrano masina
 Manoatra be noho ny volamena:
 Ny fivavahana sy ny fifonana,
 Fisaorana sy fiderana homena
 Marain-tsy hariva ny Mpamonjy e.
 
5 Ry Tompo mpitana ny fanekena ô,
 Tahio ny toky nomeny ho mafy,
 Ho masina sy to, ho marina am-po;
 Ka izy handresy izay te handrafy:
 Ho azy ny lova mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 703
Fihirana Vaovao p. 440
Vavaka sy Hira p. 810
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097