Ry mpiray dinidinika

Andao re (ry L.K.M.), andao re (ry Z.M.M.)
Andao re (hiara-miasa), tonga dia lasa.
Aza ela fikasa, mihemotra tsy lasa.
Andao re, hiara-miasa,
Andao re hanavao ny tany,
Andao re hiara-miasa.
 
1 Ry mpiray dinidinika eran-tany
 Miara-miaina amin'i Jesoa hatrany,
 Ndao isika ry zareo hanavao ny tany
 Amin'ny fanasina tsy mety lany. (indroa)
 
2 Izao no mba ilozohy amin'izao fotoana
 Ezaho sy ilofosy mba hotsaroana.
 Andosiro sy ialao ny fahalotoana,
 Fa ianao no fitaratra manoloana. (indroa)
 
3 Mivonòna hanatevina ny laharana.
 Kristy miantso anao eo am-baravarana,
 Na ho lalan-tsarotra na fidinana na fiakarana,
 Ao an-tanimbolin'ny Tompo no ifankatiavana. (indroa)
 
4 Raha sendra ianao ka tojo ny tsy eran'ny aina
 Fadio ny ho kivy na hitaraina.
 Sikino hery re ny fo sy ny saina,
 Ny herin'ny Avo indrindra no ataovy aina. (indroa)
 
5 Tsy handeha irery ianao fa matokia
 Fa ao ireo mpiaro antsika ka mifalia:
 Masindahy Paoly ary koa Masina Maria,
 Izy ireo no hitantana ny dia. (indroa)

 
Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 701
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098