Ry Mpamonjy nirahin'ny Ray

1 Ry Mpamonjy nirahin'ny Ray
 Ho mpanavotra ny olo-nanota:
 Mba iantrao izahay, ô ry Tompo ô.
 Mba mamindrà fo aminay.
 
Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Fa mpanota izahay...
 
2 Ry Mpamonjy, nirahin'ny Ray
 Hanasitrana ny fo mivalo:
 Mba iantrao izahay, ô ry Tompo ô.
 Mamindrà fo aminay.
 
Kristy ô, mamindrà fo aminay e
Fa mivalo izahay...
 
3 Ry Mpandresy nirahin'ny Ray,
 Mpanalalana ny vavakay:
 Mba iantrao izahay, ô ry Tompo ô.
 Mamindrà fo aminay.
 
Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Fa mifona izahay...
 
 


Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 700
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0998