Ry Md François d'Assise

1 Ry Masindahy François d'Assise,
 Mpiaro anay be fahefana,
 Matoky anao
 'Zahay rehetra,
 Ka mitalaho aminao.

Masindahy François,
Ray be fitia,
Ndreto 'zahay
Midera anao.
Omeo tsodrano,
Ivavaho mafy,
Hanaraka ny dianao.
 
2 'Zahay rehetra
 Dia mbola osa,
 Ka mila ny fanampianao;
 Fakam-panahy
 Tsy tambo isaina
 No miavosa mamely anay.

3 Omeo anay,
 Ry Ray malala,
 Ny toetra tsara manetry tena;
 Toy izany koa
 Ny fandeferana
 Mba hitovizanay aminao.

4 Ho tonga ilay
 Andro fodiana
 Any aminao, Ray tianay;
 Tongava ianao
 Hamalifaly,
 Mba hampatoky ny zanakao.
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 699
Vavaka sy Hira p. 630
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033