Ry Masindahy Zôzefa (Josefa)

Ry Masindahy Zôzefa, ray mpiaro anay,
Indray midera anao izao tontolo izao:
Moa ny zaza sy ny Reniny tsy narovanao?
Ny zandrin'i Jesoa matoky anao.
 
1 Na tamin'ny nofy anie no nandrenesanao
 Fa Zanak'Andriamanitra ny Zanak'i Maria
 Tsy mba nisalasala ianao, fa nino avy hatrany:
 Zarao aminay ilay finoanao.
 
2 I Maria madio anie nankinina taminao,
 Loharano velona izy ka narovanao;
 Ry lehilahy marina sy be hadiovam-po,
 Ampio re izahay maniry fo madio.
 
3 Jesoa zazakely anie hatrany an-tranon'omby
 Notrotroinao, Zôzefa ô, novelominao;
 Ry lehilahy marina, mpanompo mahatoky,
 Arovy koa izahay fa zandrin'i Jesoa.
 
4 Raim-pianakaviana ianao, nifoha vao maraina,
 Andro aman'alina nitsemboka nandrafitra;
 Ry lehilahy marina, mahatoky amin'ny asa,
 Hambininao anie ny  mpiasa rehetra.
 
5 Jesoa sy Maria anie hatrany am-piandohana
 Sarin'ny Fiangonana e, sy efa voantsinapy;
 Indro fa misandrahaka ny Eglizin'Andriamanitra,
 Arovanao 'zahay, ka mandry ivohom-bato.
 
6 Rahefa hodimandry ianao, nijery ny eto an-tany,
 Hany fanananao anie i Jesoa sy i Maria:
 Harena entim-belona ireo, ka lova enti-maty,
 Zahay koa anie hanahaka anao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 698
Fihirana Vaovao p. 506
Vavaka sy Hira p. 810
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067