Ry Masin... (A)... Mpiaro

Ry Masin... (anarana)... Mpiaro
Ny Eglizy katôlikanay,
Mba tsinjovy etý ambonin'ny tany
Ny fonay miankina aminao.
 
1 Marobe ny fahavalonay
 Te handrombaka ny fonay
 Ka sakano izy tsy hanimba
 Fa mahatahotra ny zanakao;
 Koa vonjeo izahay
 Miandry ny fifonanao.
 
2 Ry Anjely masina, midìna
 Hiray fo aminay rehetra atý
 Mba hidera an'i A... mpiaro
 Ny Eglizy malalanay,
 Koa vonjeo izahay
 Miandry ny fifonanao.
 
3 Raha ho afaka aina izahay e
 Ka hiala etý an-tany etý,
 Mba tantano 'zany dianay
 Ho tonga amin'i Jesoa.
 Koa vonjeo izahay
 Miandry ny fifonanao.
 
4 Koa rahefa tonga any an-danitra any
 Dia ho fehilohanao 'zahay,
 Any isika no hifankahita
 Sy hibanjina an'i Jesoa:
 Koa vonjeo izahay
 Miandry ny fifonanao.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina - Samihafa
Fihirana Hasina p. 697
Vavaka sy Hira p. 629
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0488