Ry Maria ô, topazo maso

1 Ry Maria ô, topazo maso antra
 Ny havanay e nisaraka aminay
 Henoinao ny feo any an-koatra
 Miantso anao, ka mba vonjeo re.

Ry Maria ô, madio,
Iraho ny Anjely
Hitari-dalana 'lay havanay
Ho any am-paradisanao.

2 Ry Maria ô, matoky anao izahay,
 Fa ianao 'lay mpiaro anay;
 Vohay re ny varavaran'ny lanitra
 Hidiranay ho eo anilanao.

3 Ry Maria ô, mpanafaka alahelo,
 Raha avy koa e izay farandroko,
 Aoka izahay hifankahita tava
 An-danitrao, ka ho mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 696
Vavaka sy Hira p. 594
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0539