Ry Jesoa mofon'aina, ianao no antenaina (1)

1 Ry Jesoa mofon'aina,
 Ianao no antenaina
 Ho vatsin'ny fanahy (indroa)
 Hamonjy sy hitahy
 Ny reraka, ny noana,
 Hatanjaka am-pinoana,
 Ry Jesoa mofon'aina!

2 Ry Jesoa ranon'aina
 Tondrahy re fa maina
 Ny fon'izay maniry (indroa)
 Tsy ho an'olom-piry
 Fa ho anao irery,
 Ambeno tsy ho very,
 Ry Jesoa ranon'aina!

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 690
Vavaka sy Hira p. 746
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009